Clémence Raharinirina: Mitory ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina teny amin’ny PAC
08 Jona, 11h00. Tafapetraka omaly 07 jona ny fitorian’i Clémence Raharinirina ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina sy ireo « rehetra MPIRAY tsikombakomba aminy na olom-boafidy na olom-boatendry amin’ny resaka fangalana volan’ny CNAPS, ny SMGD, ny SMA sy ireo orinasa maro naorin’izy ireo eo anivon’ny CUA ary koa ireo fandikan-dalàna miendrika kolikoly marolafy ». Mbola nitoriany azy ihany koa hoy izy ny « représailles » ny amin’ny fitoritoriana lava atao ireo mpanolotsaina mahasahy mijoro mitoroka ny fandikan-dalàna, Izay helohin’ny lalàna manankery.
