Manjaka : Tsy nijery fotsiny ireo tra-boina ny Kaominina
Tonga nitsidika sy nitondra ny vonjy rano vaky ho an’ny ankohonana iray ao Manjaka ny ekipa avy eo amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Marihina fa nisy hain-trano tao Manjaka, ary rava trano ity ankohonana iray ity.
« Nijery avy hatrany ity fianakaviana ity ny Kaominina raha vao nahare fa nisy voina nahazo azy ireo. Notolorana kojakojan-dakozia sy lamba firakotra ary vary izy ireo ho fanampiana vonjy maika aloha » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Isaorana ny kaominina sy mponina manodidina amin’ny fiara-mientana nanampy sy nampiantrano. Ny entan-jaraina tokoa mora zaka » hoy ny fianakaviana niaharan-doza.
Tato ho ato dia mitombo ny tranga hain-trano toy izao eto amin’ny faritry ny kaominina. Manentana hatrany ny rehetra ny kaominina mba ho mailo sy hitandrina hatrany, ho fisorohana ny loza mety hitranga.
Nicole Rafalimananjara
