Fakana an-keriny : Misokatra ny fanadihadiana
03 Jona, 12h00. Manoloana ny tranga fakana an-keriny eto an-drenivohitra sy ny manodidina dia nanambarana ny teo anivon’ny polisim-pirenena fa efa misokatra ny fanadihadiana hifandrombonan’ny sampan-draharaha manokana na services spécialisés (brigade criminelle, police des mineurs, cyber criminalité, stupéfiants ary ny polices urbaines). Hohamafisina ihany kosa ny fepetra efa noraisina eny anivon’ny toeram-pianarana izay iarahana miasa amin’ny fari-piadidam-pampianarana (CISCO) ; ary ny fisafoana amin’ny toerana be olona sy amin’ny faritra hidirana sy hivoahana ny renivohitra.
