ActualitésTsidika

Asa ivelan’i Madagasikara : Ireo dingana tsy maintsy arahina

Maro ireo tsara ho fantatra raha hiasa any ivelan’ny firenena isika. Mety hitera-doza mantsy ny tys fanarahan-dalàna, indrindra any an-tanin’olona any. « Misy fepetra dimy tsy maintsy arahina raha hiasa any ivelan’i Madagasikara. Tsy maintsy vitaina 15 andro mialohan’ny hiaingana ireo dingana rehetra ireo » hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny.

Dingana voalohany tsy maintsy arahina ny fakana ny fahazoan-dalana (visa) misy ny sonian’ny tompon’andraikitra avy amin’ny Masoivohon’i Madagasikara any amin’ny tany haleha mialoha ny hanatanterahana ny fifanarahana arak’asa. Manaraka izay dia mila mandalo any amin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka hanaovana fanadihadiana momba ny fitondran-tena sy fandinihana ny zava-misy ilay mpiasa. Avy eo dia mampandalo ny fifanarahana momba ny asa any amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sôsialy ahazoana ny fankatoavana izany.

Marihina fa voasokajy ao anatin’ity dingana ity avoko ireo mpila ravin’ahitra any ivelany toy ny mpiasa manana andraikitra ambony, mpiasa tsotra, mpiasa an-trano, tanora tovovavy mpanampy. Ny fanarahana ireo dingana ireo no isan’ny ahafahana miaro ny mpiasa any ivelany raha toa ka misy ny olana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire