Alasora : Mila paik’ady mafy ny mponina mba hazoto handoa hetra
Nisy ny tatitra navoakan’ny kaominina Alasora mikasika ny tahan’ny fandoavan-ketra ataon’ny mponina. Hita ho marefo tokoa izany, raha 23% ny taha navoakan’ny kaominina.
« Mila manangana paik’ady mafy isika eto Alasora hanentanana ny olona amin’ny fandoavan-ketra. Adidy amin’ny maha olom-pirenena anefa izany izay fandraisana anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ny tanàna » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Tena ambany ny isan’ny mpandoa hetra. Isika ihany anefa avy eo no malaky manome tsiny raha tsy misy ny fivoarana » hoy Ravo, mponina ao Alasora.
Ny fokontany Mandikamanana no mitarika ny isan’ny mpandoa hetra betsaka indrindra raha mitaha amin’ny fokontany hafa satria 35% izany. Tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana ny rehetra ary tsara raha mandray anjara mivantana amin’ny alalan’ny fandoavan-ketra.
Hasina Rasamimanana
