ActualitésTsidika

Viliahazo : Nahazo fitaovana fanamboaran-dalana

Nahazo fitaovana fanamboaran-dalana tany amin’ny Governoran’ny faritra Analamanga ny kaominina Viliahazo.Ho entina hanamboarana ireo lalana tena sarotra ao anatin’ny kaominina ireto fitaovana ireto.

« Maneho fisaorana ny avy ao amin’ny faritra Analamanga izahay eto Viliahazo amin’ireto fitaovana ireto. Betsaka tokoa mantsy ireo lalana sarotra mila fanamboarana eto toy ny any Andriambony, Anosimanjaka, Andranohandrina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Viliahazo. « Miezaka hatrany izahay manampy ara-pitaovana ireo kaominina ambanivohitra amin’ny fanamboaran-dalana. Fitaovana toy ny niveleuse, compacteur ary maro hafa no nozaraina teto » hoy ny avy ao amin’ny faritra Analamanga.

Ny lalana tokoa no tena ivon’ny fampandrosoana. Ny fifanohanana no tena zava-dehibe amin’izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire