Ankadikely : Ho atsangana ny trano famakiam-boky ao amin’ny EPP Ankadikely
Nanolotra biriky miisa 2 400 hanampiana ny EPP Ankadikely ny kaominina Ankadikely Ilafy. Izany dia ho fanohizana hatrany ny asa fanorenana ny trano famakiam-boky ao amin’izany EPP izany.
« Ny tao trano tokoa mantsy tsy hefan’ny irery. Ilaina foana ny fifanomezan-tanana indrindra ho an’ny fampianarana tahaka izao » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Zava-dehibe ho an’ny sekoly iray tokoa ny fisian’ny efitrano famakiam-boky. Ny boky mantsy no manampy sy manatevina ny fahaizana voizina ao am-pianarana » hoy ny mpampiantra.
Betsaka ihany koa ireo nanolo-tanana tamin’ity tao trano ity. Hanentanana ny rehetra ny mbola hitohizan’izany fifanampiana sy firaisan-kina izany.
Nicole Rafalimananjara
