France : Nodimandry i Jean Claude Carrière, mpanoratra.
Nodimandry teo amin’ny faha 89 taonany i Jean Claude Carrière. Ny alatsinainy lasa teo no nandao ny tany ity mpanoratra frantsay ity.Ankoatra ny maha-mpanoratra matianina azy dia nisehatra teo amin’ny asa fanaovan-gazety, ny filalaovana sarimihetsika,mpamoron-kira ihany koa izy. Nanamarika azy ny fitiavany ny literatiora frantsay, ny fitiavany manoratra. Lohatenin’ny boky anisany nosoratany « la controverse de Valla Dolid ».Efa niara-niasa tamin’ny trano mpamokatra maro samihafa izy ary efa nahasoratra sy nahaforona boky maro. Nanana fomba firesaka nahafinaritra sy nanaitra ny sofin’ny maro i Jean Claude Carrière.Olona narani-tsaina sy nanam-pahaizana ary havanana teo amin’ny resaka famoronana izy. Tsy dia nanana aretina mitaiza lotra izy fa raha ny fantatra dia tao anaty torimaso no namoizany ny ainy.
