Etats-Unis : Karine Jean-Pierre, vehivavy mainty hoditra voalohany mpitondra tenin’ny fiadidiana ao Washington
I Karine Jean-Pierre, 44 taona no hisolo an’i Jen Psaki mpitondra tenin’ny fiadidiana manomboka ny 13 mey izao. Efa lefitr’i Jen Psaki io Karine Jean-Pierre ary nofidian’ny filoha Joe Biden noho ny traikefa sy talenta ary fahamarinany.Manan-tantara io safidy io noho i Karine Jean-Pierre ho lasa vehivavy mainty hoditra sady miaraka amin’ny olona mitovy fananahana aminy (lesbienne) hitondra teny ny trano fotsy. Teratany frantsay ny tenany miaraka amin’ny mpanao gazety ao amin’ny CNN ary manan-janaka vavikely.Mpitondra fiarakaretsaka ny rainy ary mpiitsabo mpanampy ny reniny, hitondra feo an’ny olona maro izy ary hisarika ny maro hanan nofinofy goavana hoy ny mpitondra teny teo aloha Jen Psaki.
