Afrique du Sud : « Sous-variant » vaovao roa amin’ny « Omicron » no hita
Tampoan’ny valan’aretin’ny Covid-19 vaovao indray noho ny « sous-variant » vaovao roa ny « Omicron » i Afrique du Sud amin’izao fotoana. Nanao fanambarana ny tale jeneran’ny OMS, Tedros Adhanom Ghebreyesus fa siantifika avy ao an-toerana nahita ny « variant Omicron » ny taona lasa teo ihany no nahita ireo « Sous-variant » vaovao ireo.Raha ny voalazan’ireo manam-pahaizana ireo dia ireo « BA.4 » sy « BA.5 » ireo no mitarika ny fiakaran’ny taha indray ao an-toerana amin’izao fotoana. Mbola aloha loatra kosa hoy ny talen’ny OMS ny hamaritra raha miteraka tranga misy fahasarotana ireo « Sous-variant » saingy manohy ny fiarovana amin’izany ny vaksiny.
