ActualitésTsidika

Fiaferana : Sazy roa taona an-tranomaizina niampy lamandy no azon’ilay mpitantana toby mianaka

Nivoaka ny 28 aprily lasa teo ny didim-pitsarana fanamelohana ilay mpitanatana toby sy ny zanany tao Fiaferana Avaradrano. Niteraka resa-be tokoa ity valim-pitsarana ity satria sazy 2 taona an-tranomaizina sy lamandy 5 hetsy ariary.

« Maivana ny sazin’izy ireo raha mitaha ny heloka bevava nataony. Tokony tena atao ho enjana hahatsapany ny asa ratsy mamoafady nataony » hoy i Berthine, mponina ao Fiaferana. « Ny mpanolana 2 taona no any am-ponja. Ny mpanimba fananana iombonana 10 taona no any. Tsy mitsabaka ny asan’ny fitsarana akory fa mila jerena akaiky ihany ny valim-pitsarana toy izao » hoy i Fenitra, mpianatra serasera eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Ampy hanafaizana ny mpanolana ve ity diidm-pitsarana navoaka ity ? Tao anaty mangarahara tokoa ve ny fitsarana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire