Politique

MBS : Ny lalàna mifehy ny serasera no tokony hampiarina

Mbola hita taratra eto Madagasikara ny tsy fampiharana ny fahalalahana amin’ny asa fanaovan-gazety na ny “liberté de Presse” sy ny fampitam-baovao amin’izao vanin’andro izao, nanao io fangatahana io ireo mpanao gazety sy ireo mpikirakira ny haino, vaky, jery efa an-taonany maro izao. Anisan’ny manamarina izany ny fanapahana ny fampitana ny MBS tamin’ireo tambajotra satelita telo ny Zoma lasa teo. Nilaza ny avy ao amin’ny fitsarana fa mety hiteraka korotana eto amin’ny tany sy firenena ny fisian’ny fandaharana miara-manonja izay ampitain’io haino aman-jery io, eo ihany koa ny fanalàna baraka ataony. Fampihenana fotsiny ny mety hihaino azy anefa no vokatry ny fanapahana ny fampitàna ny MBS tao amin’ny Startimes, Canal Plus ary ny Parabole fa raha nisy ny fahadisoana nataon’ny avy ao amin’ny MBS ka nahatonga izany dia tokony ny MBS mihitsy no notapahana sy notoriana. Tsy ao anaty lalàna mifehy ny serasera ny fanapahana izany fampitana izany fa ny lalàna mihantra amin’ny orinasan-tserasera izay manao fahadisoana no misy, hoy i Randy Donny izay sady mpanao gazety no solontenan’ny Reporters Sans Frontière na RSF eto Madagasikara. Fa nahoana marina moa no tsy io haino aman-jery io avy hatrany no notapahana raha toa ka tena hahiana hiteraka korotana tokoa ny fisian’ny fandaharana miara-manonja ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire