Faratsiho : Tantsaha 2313 no nahazo kara-tany
Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fitondram-panjakana ny fanoratana faobe ny zo fananan-tany (kara-tany). Notanterahana tao amin’ny Distrika Faratsiho kaominina Faravohitra izany ny alatsinainy teo ka tantsaha niisa 2313 avy amin’ny kaominina 4 no nisitraka izany.
Ny tetikasa fizarana kara-tany faobe dia fiaraha-miombonantoka eo amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany miaraka amin’ny tetik’asa CASEF izay vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola. Ho an’ny Faritra Vakinankaratra manokana dia mitotaly ho 156 066 kara-tany voarakitra.
Nisy ihany koa ny fanolorana saritany azo avy amin’ny zana-bolana sy fitaovana informatika ho an’ireo mpandraharaha ny fananan-tany nandritra io fotoana io.
Nanambara ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra fa zava-dehibe sy sarobidy ny fananana ny kara-tany, io no manamarina fa tompony tany ara-dalàna ireo izay manana izany.
Hasina Rasamimanana
