SportTsidika

Sabotsy Namehana : Noraisin’ny kaominina ireo nahazo medaly tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara tamin’ny taranja Boxe Française Savate

Nandray ireo tompon-daka telo mirahalahy Malagasy nandrombaka ny medaly volamena sy volafotsy ny kaominina Sabotsy Namehana. Medaly volamena iray sy volafotsy roa no azon’izy ireo nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2022.

« Taranja Boxe française Savate no nahazoan’izy telo mirahalahy ny medaly volamena sy voloafotsy. Notanaterahana ny 15 hatramin’ny 17 aprily lasa teo izany. Faly izahay nandray azy ireo izay horeharehan’ny kaominina izao fandalovany eto izao » hoy i Andriamosa Avotraina, ben’ny tanàna ao Sabotsy Namehana. « Nahazo medaly volamena i Andrianarisoa Avotra izay latsaky ny 56 kg. I Andrianomenjanahary Heritiana Fabien kosa no nahazo volafotsy izay teo amin’ny 52 kg. Toy izany koa i Randriafanorosoa Messia Leonail teo amin’ny 56 kg » hoy ny avy ao amin’ny Minsiteran’ny Fanatanjahan-tena.

Tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no nanatanterahana ny lalao. Rehareha eto amin’ny firenena tokoa ny tahaka izao izay ahafahantsika mandray anjara amin’ny seho iraisam-pirenena. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire