ActualitésTatitra

Russie : Nametra-pialana ny lehiben’ny orinasan-tsolika Loukoïl

Orinasa niharan’ny sazin’ny tandrefana toy ny orinasa maro ao Russie ny orinasan-tsolika Loukoïl. Manoloana izany dia nametra-pialana ny filohan’ny orinasa sady mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanana, Vaguit Alekperov.Laharana faharoan’ny sehatry ny solika ao Russie ny Loukoïl ary ao anatin’ny « Bourse » i Londres. Lehilahy fahafolo manan-karena indrindra ao Russie io mpitantana azy io, izay manana tetibola 10 500 tapitrisa dollars amin’izao faha 71 taonany izao.Voalohany tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny « hydrocarbure » nametra-pialana kosa i Vaguit Alekperov. Ny sazy nomena ireo mikendry ireo mpanefoefo ao an-toerana dia nanosika an’i Roman Abramovitch namarotra ny klioban’ny Chelsea izay novidiany ny taona 2003.

Laisser un commentaire