ActualitésTsidika

Ambohimanga : Hisy ny fitsidihana ny tanàna

Hisy ny dia an-tongotra atao any Ambohimanga Rova ny 30 aprily 2022. Sady manatanja-tena isika no miala voly kely mahita toerana amin’io fotoana io. »Miainga amin’ny 8 maraina isika. Hijery ireo tanàna manan-kasina ao Ambohimanga Rova. Efa hita eto sahady fa hahafinaritra ny dia. Hisy ihany koa ny kilalao sy ny fanentanana isan-karazany » hoy ny avy ao ami’nny Ilohasina Antananarivo, mpikarakara ny hetsika. « Betsaka mihitsy ireo mpitsidika ny tanàna eto Ambohimanga. Isan’ny toerana manan-tantara tokoa mantsy ny aty noho izy nitoeran’ireo mpanjaka fahiny. Mbola misy ihany koa ireo mitana ny hasina sy ny fombafomba taloha » hoy i Rakotoson, raiamandreny ao Ambohimanga Rova.Fotoana tokoa izao hitsidihana ireo toerana manan-tantara. Tsy ho ny vahiny indray no hitsidika sy hahita izany mialoha. Tsara raha atomboka amin’ny toerana akaiky ny renivbohitra aloha toy ny any Ambohimanga sy ny eny Manjakamiadana.

Laisser un commentaire