Avaradrano : Maro ireo misehatra amin’ny varotra an-tambajotra
Efa manomboka mahazo vahana eto Avaradrano ankehitriny ny varotra an-tambajotra (vente en ligne). Betsaka ireo olona mivelon amain’izany sy manao azy ho toy ny vadin’asa.
« Sady afaka miala voly ato anaty tambajotran-tserasera aho no mahazo vola. Tiako ny asa noho izy mifanerasera akaiky amin’ny olona. Tena mety ilay mivarotra entana ato anaty tambajotran-tserasera » hoy i Veronique, renim-pianakaviana mivelona amin’ny varotra an-tambajotra. « Izaho mianatra eny amin’ny Oniversite. Sady miasa tena aho izao no mianatra. Maka entana aho dia amidiko ato amin’ny facebook fotsiny. Mandeha ny entana rehefa mahay mivarotra isika » hoy i Elisa, mpianatra serasera eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Ny fandraharahana tokoa dia fahaizana mampiasa izay eo am-pelatanana. Inona no misy eo aminao ? Avadiho ho vola na tombontsoa ho an’ny tenanao.
Nicole Rafalimananjara
