Vita malagasy
Ho avy ny ririnina. Amin’io vanim-potoana io matetika no maha vakivaky volo, molotra ary takolaka ho an’ireo zazakely. Anisan’ny akora tena manasitrana ary misoroka izany ny menaka vita avy amin’ny voanio na ny fantatry ny maro amin’ny hoe « diloilo coco ». Betsaka tokoa ny voka-tsoa azo avy aminy ary ny fanjifana azy dia fanohanana ny vita Malagasy.
