Dépêches

Farafangana : Omby 4 tafaverin’ny miaramila

12 Aprily, 14h30. Omby miisa efatra no tafaverin’ny miaramila, nandritra ny hetsika nataon’izy ireo niadiana tamin’ny tsy fandriampahalemana ary dahalo roa no lavo vokatry ny fifandomana tamin’izany. Dahalo efa nokarohina hatramin’ny ela ny iray izay nikasa ny hamaly sy hitsaoka raha nifanena amin’ireo miaramila tao amin’ny fokontany Analavelo Kaominina Vohimasy omaly maraina tao amin’ny distrikan’ny Farafangana. Ny iray kosa dia lavo tao Tanàndava kaominina Etrotroka ny sabotsy teo.

Laisser un commentaire