Tontolo Iainana : Miakatra be ny tahan’ny fahaloton’ny rivotra eto an-drenivohitra
Mihoatra avo efatra heny na avo dimy heny amin’ny tokony ho izy ny tahan’ny fahalotoan-drivotra eto an-drenivohitra. Tsy tokony hihoatra ny 25ug/m3 ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra.
« Ny fandotoana ny tontolo iainana dia isan’ny mitondra voka-dratsy ho an’ny fahasalamana. Isan’ny nisafidianana ny lohahevitra hoe « antoky ny fahasalamantsika ny Tontolo iainanantsika », nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana tamin’ny farany teo » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. « Mihoatra ny fenitra nomen’ny OMS ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto an-drenivohitra. Indrindra nanomboka ny volana septambra, oktobra ary novambra lasa teo » hoy ny lehiben’ny sampan-draharaham-pikarohana ao amin’ny sampana mpamatatra ny toetry ny andro, Rakotomavo Zonandrianina.
Efa an-dalam-pikarakarana ny tondrozotra amin’ny ady amin’ny fahalotoan’ny rivotra ireo tomponandraikitra voakasika amin’izao. Tompon’andraikitra ihany koa anefa isika vahoaka, izay tokony tsy hanao hetsika manimba ny tontolo iainana.
Nicole Rafalimananjara
