Arivonimamo : Nahazo fampitaovana ny Akany zandarimaria
07 Aprily, 10h00. Tonga nitsidika sy nanolotra fanomezana ho an’ny Akany Zandarimaria Arivonimamo ilay teratany vahiny Julie Devaux sy ireo mpiara-dia taminy omaly.
Ny Kolonely Lehiben’ny Akany Zandarimaria no nandray izany, notronin’ny Jeneraly Atouman Ittibar, Lefitra faharoan’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena.
Fantatra fa hanome fanofanana ara-tsaina (psychologie) hoan’ireo zandary miasa ao anatin’ny sampan’asa miaro ny zaza sy ny reny eo anivon’ny Zandarimaria, ary koa ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imerina centrale tsy ho ela ireo olona malala tanana ireo.
