ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Misy fianarana manao soudure

Miezaka hatrany manome ireo karazam-piofanana ahafahan’ny tanora miasa avy hatrany ny BTC Ambohimangakely. Endrika maro no azo avoaka amin’ny fanaovana soudure, toy ny ny aroloha.

« Mitohy ny fisoratana anarana aty amin’ny BTC ho an’ny fianarana manao soudure. Mirary ny saram-pianarana » hoy i Tata, tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Talenta ny manao soudure fa tsara kokoa raha mbola trandrahana hatrany mba hivoatra. Nanampy betsaka ahy hiditra amin’ny tontolo arak’asa kokoa ny BTC » hoy i Avotra, mpanao soudure ao amin’ny BTC Ambohimangakely.

Manampy betsaka ny tanora hanana asa mahaleotena tokoa ny BTC. Betsaka ny fiofanana arak’asa hita ao amin’ity toerana ity. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire