Ambatondrazaka : Faritra mena amin’ny fakana an-keriny
Tsy mandry andro tsy mandry alina ny mponina ao Tanambao Besakay Ambatondrazaka noho ny tranga fakana an-keriny izay mateti-piseho tato ho ato. Raim-pianakaviana indray mantsy no nisy naka an-keriny ny faran’ny herinandro lasa teo.
« Tafiditra ao anatin’ny faritra mena amin’ny fakana an-keriny ny faritra Ambatondrazaka. Matetika loatra ireo tranga fakana an-keriny tato ho ato. Nisy ireo fifanakalozana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka » hoy ny tompon’andraiki-panjakana ao Ambatondrazaka. « Ny fahavononana sy ny fahasahiana no tena ilaina. Tsy tokony hisalasala hanome ny loharanom-baovao marina sy amboraka izay ahiahiana ho olon-dratsy. Avy amin’izay ihany no hitohizan’ny fanadihadihana » hoy ny kolonely Rabelanantsoa Josh, kaomandin’ny CIRGN Toamasina. Nomena nandritra izany ny laharana ahazoana haingana ny mpitandro filaminana mba hisian’ny fiaraha-miasa.
Nomena toromarika ihany koa ireo filoham-pokontany mba hanara-maso ireo olona mifamezivezy ao amin’ny tanànany, ary hampiasa ny bokim-bahiny.
Nicole Rafalimananjara
