Fiara « hybride » : Tsy mitovy amin’ny fiara elektrika tsotra
Fiara mampiasa karazana angovo roa ahafahany mifamezivezy ny « automobile hybride électrique » izay elektrika ny iray. Mety ho « électrochimique » izany ary mety ho « électrostatique » ihany koa. Ny fahita matetika amin’ity karazana fiara ity nefa dia ny « moteur électrique » mifandray amin’ny « moteur thermique » ary mandeha amin’ny lasantsy.Mety ho tokana na maromaro ny « moteur électrique » mifandray amin’ny « moteur thermique ». Ahafahana misitraka bebe kokoa ny tombotsoan’ny motera tsirairay izany ary mampihena ny fahalemeny satria ny « moteur électrique » dia mahomby sy « souple », tsy miteraka fahalotoan’ny rivotra ary ahafahana maka ireo angovo indray amin’ny fijanonana. Ny « moteur thermique » kosa dia manome ny herin’ny fiara amin’ny hafainganam-pandeha ambony kokoa ary mahaleo tena amin’ny loharanon’angovony.
