ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Misy zaridaina mahafinaritra eo amin’ny Kaominina

Nanangana zaridaina eo an-tokontanin’ny lapan’ny tanàna ny avy ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Sady fahafinaretan’ny maso manko izany no manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

« Tsara loatra, mahafinaritra ny tanàna misy zaridaina toy izao eto amin’ny Kaominina izao. Sady manampy amin’ny fiarovana amin’ny tontolo iainana mba hadio no fahafinaretana hoan’ny maso sy ny saina. Mitondra fitoniana ihany koa » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Anosy Avaratra. « Izany no nanamboaran’ny kaominina ireto zaridaina ireto miampy ny seza izay azo hipetrahan’ny rehetra. Natao indrindra ho an’zay mitsidika na miandry raharaha na ireo mpianatra ao amin’ny CEG sy Lycée » hoy ny ben’ny tanàna, Razafimahefa Luc.

Mbola mitohy hatrany fanatsarana ataon’ny kaominina ny endriky ny tanàna ao Anosy Avaratra. Entanina hatrany ihany koa ny tokony hanajantsika ireny fananana iombonana ireny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire