ActualitésTsidika

Mandroseza : Revirevy poezia sy Ba-gasy

Isan’ny fanandratana ny maha Malagasy amin’izao taom-baovao Malagasy izao ny Poezia. Hisy ny hetsika Revirevy Poezia sy Bàgasy anio 1 Aprily amin’ny 6 ora sy sasany hariva eny amin’ny Maeva Mandroseza.

« Manome lanja ny talentan’ny tanora izahay ato. Matetika hetsika tsy misy vidim-pidirana foana no ataonay mba tsy hampihemotra ireo mpankafy. Mila mpankafy tokao mantsy ireo manan-talenta » hoy ny avy ao amin’ny Maeva Mandroseza. « Mila asandratra avo ny Poezia Malagasy mba hanomezana lanja ny literatiora. Tongava maro hanandratra hatrany ny maha Malagasy antsika » hoy i Rohy, sady isan’ireo mpiantsa tononkalo ho tonga no mpanoratra.

Betsaka ireo tanora mpiantsa tononkalo sy mpanoratra no ho tonga hanafana ny fety mandritra io andro io. Tsara raha manohana azy ireny isika mba hampandroso azy hatrany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire