ActualitésTsidika

Manandriana : Tanora miisa 13 no niofana mikasika ny fandraharahana amin’ny tontolo ambanivohitra

Tontosa ny fampiofanana ireo tanora miisa 13 tao amin’ny kaominina Manandriana. Fiofanana niompana tamin’ny fandraharahana any amin’ny tontolo ambanivohitra no natao. « Tanjona ny hanome asa ny tanora eto amin’ny kaominina. Azo atao tsara mantsy ny mandraharaha ety ambanivohitra miainga amin’izay ananana » hoy ireo mpikarakara.

« Nahazo marika manaporofo fa niofana mikasika ny fandraharahana amin’ny tontolo ambanivohitra ireto tanora ireto » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Manandriana. Tsy ny fanosehana ny tanora hiasa sy hipetraka ety andrenivohitra ihany no vahaolana ahitana asa. Azo atao tsara ny mandraharaha amin’ny tontolo ambanivohitra. Tombony maro mihitsy aza no azo amin’izany. Sady miaina anaty tontolo madio sy milamina no mikolokolo ny tanindrazana sy ny tontolo iainana no mandray anjara amin’ny fandrosoana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire