ActualitésTsidika

Maintirano : Nalain’ny mpangalatra hatramin’ny lisi-pifidianana

Lasan’ny dahalo mpanakan-dalana ny lisi-pifidianana ho an’ny kaominina Bebaboky Atsimo, distrikan’i Maintirano. Lisi-pifidianana izay tokony hanaovan’ny mponina isam-pokontany fanamarinana ny anarany. « Lasa niaraka tamin’izany koa ny taratasin’omby maromaro sy fitombokase ary finday, miaraka amina vola 480 000 Ariary. Mpanakan-dalana miisa telo mitondra kibay antsy lava no nanafika” hoy ny délégué iray. “Tsy maintsy atao ny fanambarana fahaverezana, miaraka amin’ny tatitra ataonay. Hisy ny fanontany lisitra vaovao ahafahan’ny mpifidy manamarina ny anarany” hoy ny rantsa-mangaikan’ny CENI. Nahalasa saina ny maro ity fanafihana ity. Inona no tena tanjon’ireto mpanafika? Vola ihany ve ka tsy nifidy izay nalaina sa misy antony manokana no dia nalaina hatramin’ny taratasy?

Laisser un commentaire