Nifanatrika tamin’ny Clermont Foot 63 ny Grenoble Foot 38-n’i Jérôme Mombris tamin’ny alarobia, tafiditra ao amin’ny fiadiana ny « Coupe de France ». Ity vodilaharana ao amin’ny Barea ity no kapiteny tamin’izany, ary izy ihany koa no nampiditra ny baolina volohany tamin’ny minitra faha 32. 1 no 1 no nisarahana tamin’ny fizarampotoana, rehefa avy nanasahala ny isa ny Clermont. Teo amin’ny « tir au but » no nandresen’ny GF38, 4 no 2).
