Brésil : hipoka ny toeram-pitsaboana ao Amazonie.
Tao anaty fotoana fohy monja no naha maro isa ireo marary, araka ny voalazan’ny mpitsabo tao amin’ny hopitaly Iranduba.
Tanana manana mponina miisa 50.000 olona, ary 40km miala eo Manaus izay renivohitr’i Amazonas, maro ireo hopitaly no hipoka nohon’ny firongatry ny valan’aretina covid-19 indray.
Torak’izay ihany koa ny ao Amazonas izay tanana lehibe indrindra ao Brésil dia ahitàna fiakarana goavana ny isan’ireo tranga vaovao. Ny ao amin’ny hopitalin’i Hild Freine, feno olona avokoa ireo fandriana ary efa nahitàna maty miisa 15 teo anelanelan’ny alatsinainy sy alarobia. Vokatr’izany dia nanjary lany anaty iray andro ireo tahiry « oxygène ».
« Tsy zakanay intsony izao, tsy manana fahefana hanampy azy ireo intsony izahay » hoy ny nambaran’ny mpitsabo teo anivon’ny AFP. « Vao nanomboka lany ireo tahiri-na oxygène dia efa nanahy ny amin’ny ampitso izahay » hoy kosa ny mpitsabo iray hafa.
Mpilatsaka an-tsitrapo iray avy ao amin’ny ONG izao no nanajanona ny tavoahangy oxygène-ny tamina be antitra 86 taona iray izay efa tao amin’ny hopitaly nandritry ny roa herinandro.
Na izany na tsy izany nampitomboina ny lafin’ny ara-pitaovana tamin’ity tanàna rakotr’ala ity ho fanamaivanana ny fianakavian’ireo marary any amin’ny hopitaly.
