ActualitésTatitra

Ukraine : Misy hifandraisany akaiky amin’i Russie ny tantarany

Firenena ao Europe atsinanana i Ukraine. Voadidin’ny « mer Noire » sy ny « mer d’Azov » izy avy aty atsimo, ary miray sisintany amin’i Russie avy aty avaratra atsinanana sy atsinanana. Miray sisintany amin’i Biélorussie kosa izy avy aty avaratra, amin’i Pologne, Slovaquie ary Hongrie avy aty andrefana ary amin’i Roumanie sy Moldavie avy aty atsimo andrefana. Firenena lehibe indrindran’i Europe izy.Kiev no renivohitr’i Ukraine izay be mponina indrindra ao an-toerana. Efa tamin’ny fanjakan’ny « Salve oriental médiéval » ny Rus’ de Kiev kosa ny kolontsaina hazonan’i Ukraine. Marihina fa firenena voazanaka i Ukraine. Ny taona 1920 izy no nahazo ny fahaleovantenany. Anisan’ny nanjanaka azy i Allemagne sy Russie tamin’ny alalan’ny « Parti bolchevique », « Russes blancs » ary ny « Triple-Entente », izay fiaraha-miombon’antoka ara-tafik’i France, Royaume-Uni ary ny empire-n’i Russie.Manoloana izay dia tafalatsaka eo anelanelan’i Russie sy ny Union Européenne foana i Ukraine, ary ny taona 2004 no tena nifanenjana izany tamin’ny alalan’ny « Révolution orange », nanamarika ny fifanoheran’ny mponina nizara ampahany roa, dia ny mpomba an’i Europe sy ny ny tandrefana ; ary ny mpomba an’i Russie na « russophile ».

Laisser un commentaire