ActualitésTsidika

Bealanana : Tsy faly amin’ny Jirama ny mponina

Tsy mankasitraka ny fomba fiasan’ny Jirama ny mponina ao Bealanana. Hanatanteraka hetsika izy ireo androany.

« Midangana loatra ny vidin’ny herinaratra. Tofoka amin’ny fanararaotana ataon’izy ireo izahay eto Bealanana » hoy i Damasy, mponina ao Bealanana. « Manamafy hatrany ny fisian’ny hetsika izahay na dia mitady fitoniana aza ny Jirama. Manomboka eo amin’ny Parkazy ny hetsika ho atao » hoy ireo mpitarika ny hetsika. Niakatra an’onjam-peo tokoa ny lehiben’ny Distrika sy ny lehiben’ny Jirama nanazava ny toe-draharaha sy ny fisian’ny fitoniana ny 1 Martsa teo.

Betsaka tokoa ny fitarainana avy amin’ny toerana samihafa mikasika ny asan’ny Jirama. Mitaky vahaolana maharitra ny mponinha satria tena ilaina amin’ny fiainana ny herinaratra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire