ActualitésTatitra

Iran : Lehilahy roa nahantona noho ny fiarahana lahy samy lahy

Fady ary anisan’ny tena voraran’ny làlan’ny « Charia » na làlan’ny silamo ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana. Ny fahafatesana no setrin’izany. Lehilahy roa antsoina hoe Mehrdad Karimpour sy Farid Mohammadi no voaheloka satria niray samy lahy tao Iran, nogadraina enim-bolana izy ireo ary nohelohina ny ho faty ny andro vitsivitsy teo.Tao amin’ny fonjan’i Maragheh, 600 km mahery miala an’i Téhéran no nahantona ireo lehilahy ireo araka ny HRANA (Human Rights Activists News Agency). Marihina fa fito volana talohan’ity fanamelohana ho faty ity dia efa nisy olona maromaro novonoina ihany koa noho io antony io.Efa nahatratra 299 izay tsy ampy taona ny 4 no mponin’Iran nohelohina ho faty noho ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana teo anelanelan’ny 1 janoary 2020 hatramin’ny 20 desambra 2021

Laisser un commentaire