Tanambao Ihosy : Nahatratrarana vato mizàna tsy ara-dalàna
28 Janoary, 12h30. Nanao fitsirihana tampoka tao amin’ny tsenan’i Tanambao Ihosy ny mpanara-maso ny varotra any an-toerana ny 26 janoary 2022 lasa teo. Mpivarotra sasantsany no tratra nampiasa vato mizàna tsy ara-dalàna tamin’izany. Nogiazana avy hatrany ireo vato mizàna, entina hangalaran-danja ireo.
