ActualitésTsidika

Avaradrano : Kaominina isan’ny nahitana tra-boina i Ambohimanambola

Toerana efatra no andraisana ireo tra-boina vokatry ny andro ratsy ao Ambohimanambola. Miisa 473 ireo olona raisina ao an-toerana amin’izao fotoana izao. « Mizara ho site efatra ny andraisana ireo tra-boina eto Ambohimanambola. Eo ny any amin’ny lycée taloha, ao amin’ny EPP Ambohibato, ny eny Antanetibe ary ao amin’ny Fokontany Tanjonandriana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

« Misy fianakaviana 7 voa mafy noho ny rotsak’orana izao teto Tanjonandriana. Ao ny rava trano sy ny tsy manan-kialofana » hoy ny Filoham-pokontany ao Tanjonandriana. « Mbola ampy, hatreto, ny sakafo. Ao ireo mitondra fanampiana ary tsy mitsahatra mitady vahaolana ny kaominina” hoy i Tsiory, isan’ireo tra-boina. Ahitana olona tra-boina 260 ao amin’ny site lycée taloha raha to aka 163 ny eny amin’ny EPP Ambohibato. Misy Olona 13 tao anatin’ny fianakaviana 4 kosa ao Antanetibe raha 37 ny any amin’ny Fokontnay Tanjonandriana.

Mifanampy ny mponina sy ny mpitondra amin’ny fanampiana ireo tra-boina. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire