ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Manampy ireo tra-boina hatrany ny kaominina

Tra-boina maherin’ny 380 no karakarain’ny kaominina Ankadikely Ilafy mandritra izao fahavoazana nateraky ny andro ratsy izao. Ao amin’ny EPP Antanandrano sy EPP Ankadikely no andraisana azy ireo.

« Miaina tahaka ny olon-drehetra ireo tra-boina. Vatsiana sakafo sahaza in-telo isan’andro izy rieo. Misy ihany koa ny fanomezana « koba aina » mafana ho an’ireo zaza madinika » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajoanah Rija. « Izahay ato amin’ny CSB II Ankadikely no manara-maso ny lafiny ara-pahasalamana azy ireo. Isaorana etoana ny tolo-tanana izay ataon’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny BNGRC » hoy ny mpitsabo amin’ny CSB II.

« Mankahery ny avy ao amin’ny Kaominina hahavita be manoloana izao adidy ho an’ny mpiara-belona izao. Tena hita fa mihaino ny vahoaka sy manakaiky ny vahoaka tokoa izy ireo. Miezaka mitady vahaolana andro aman’alina ho an’ny tanàna » hoy i Richard, mponina ao Ankadikely Ilafy. Mila fanohanana avy amintsika vahoaka ny mpitondra. Ny fifanohanana no mitondra fampandrosoana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire