Ambohimanambola : Nanampy ireo tra-boina ny vadin’ny zandary
Nitondra fanampiana ho an’ireo tra-boina tao Ambohimanambola ny Fikambanan’ny vadin’ny zandary (Fivaza). Nankahery sy nanome sakafo mafana ho an’ireo tra-boina izy ireo.
« Maneho fisaorana sy fankasitrahana indrindra ho an’ny Fivaza izahay. Ny fifanampiana tokoa ny zava-dehibe » hoy ny Ben’ny tanàna ao Ambohimanambola. « Tena mahatsiaro ho manana reny tokoa izahay. Misaotra sy mankasitraka tamin’ny vita rehetra » hoy i Lanto, renim-pianakaviana iray tra-boina. « Tsy hay ny hijery fotsiny manoloana izao voina izao. Nitondra izay azo nentina izahay ato amin’ny Fikambanana. Izany no natao dia ho fanampiana hatrany ny mpiara-belona sy mpiray tanindrazana » hoy i Rakotondrazaka Seheno vadin’ny ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena.
Tsy misy manana ny ampy tokoa fa ny fifanohanana no zava-dehibe. Mila fanampiana tokoa ireo tra-boina. Tapi-dalan-kaleha tanteraka mantsy izy ireo.
Nicole Rafalimananjara
