Dépêches

BEKILY ANDROY: Maty ny zanak’ilay filoham-pokontany notifirin’ny dahalo

20 Janoary, 08h00. Raha tsiahivina dia notafihan’ny jiolahy mitam-basy ny tranon’ny filoham-pokontany tao Bekily Androy ny alatsinainy teo. Norahonan’izy ireo ny olona tao an-trano ary notifiriny ny zanaka lahin’ny filoham-pokontany rehefa nanao fihetsika hafahafa. Naratra mafy izy ary nentina tany amin’ny hopitaly saingy namoy ny ainy ny alarobia teo.Jiolahy roa kosa no efa voatifitry ny zandary ary manohy ny fikarohana ireo sasany izy ireo.

Laisser un commentaire