ActualitésTsidika

Covid-19 : Misy ny lamina napetraka hiatrehana ny fitohizan’ny fampianarana

Miara-miasa amin’ny mpitsabo ao amin’ny Distrikan’Antsohihy ny avy ao amin’ny Cisco Antsohihy. Entina any amin’ny toera-mpitsaboana avy hatrany ireo izay ahiana ho voan’ny coronavirus.

« Handraisana fepetra avy hatrany ny sekoly sy toeram-pianarana ahitana tranga ho fiarovana ny fahasalaman’ny mpianatra. Tsaboina avy hatrany, ary atao fitiliana, ireo hita fa tsy salama ary ahiana ho mitondra ny aretina » hoy ny lehiben’ny fari-piadidiam-piampianarana ao Antsohihy, Ranaivohasivao Bruno. « Efa miroso amin’ny fikarakarana ny taratasim-panadinam-panjakana izahay izao. Tsy tokony ho sakana amin’ny fampianarana ny aretina » hoy ny mpampianatra iray ao Antsohihy. « Tsy tokony ho atao sorona manoloana ny aretina ny fanabeazana. Aleo ny zaza hianatra foana fa ny aretina mbola misy foana. Ny fitandremana sy ny paik’ady fotsiny no mila atao mafy » hoy i Andrien, mpianatra ho mpampianatra eny amin’ny ENS Ampefiloha.

Mitohy hatrany anefa ny fanentanana mikasika ny fampiharana ny fepetra sakana. Tsy hanisy olana eo amin’ny fanabeazana tokoa ve ny covid-19 ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire