Fandriam-pahalemana : Nampitomboina ireo jio hanazava ny tanàna ao Ankadikely Ilafy
Manome vahana ny tsy fandriam-pahalemana ny fahatapahan-jiro matetika eto AVaradrano. Isan’ny vahaolana amin’izany ny fametrahana jiro eny amin’ny lalana. Nahazo jiro indray ny Fokontany Antsahamarofoza, Andranovelona ary Manazary ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.
« Mitohy hatrany ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Nozaraina jiro mandeha amin’ny masoandro avokoa ny kaominina tsirairay eto Avaradrano. Izany no natao dia ho fitsinjovana ny vahoaka voatery mody hariva » hoy ny Solombavambahoaka voafidy teto Avaradrano. « Faritra sy lalan-kely maro no ezahina hametrahana ireto jiro ireto eto ami’nny Kaominina. Mbola hitohy any amin’ny faritra hafa izany. Hita mantsy fa tena manala fahasahiranana tokoa ny toy izao » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. « Tena manampy betsaka tokoa ny jiro tahaka izao. Ny jiron’ny Jirama aty mantsy tena tapaka matetika. Mahazo vahana any hala-botry eto amin’ny tanàna » hoy i Fetra, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Aoka isika samy ho sarotiny amin’ny fananana iombonana sy hitandro hatrany ny fahadiovana. Ilaina tokoa mantsy izany toe-tsaina izany eo amin’ny fandrosoana.
Nicole Rafalimananjara
