SportTsidika

Baolina Kitra : Hanomboka ny volana jona ny fifanintsanana amin’ny CAN 2023

Efa fantatra ny daty manaraka hilalaovan’ny Barean’i Madagasikara. Efa nivoaka mantsy ny fandaharam-potoana amin’ny fifanitsanana mandritra ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika amin’ny 2023. Hanomboka amin’ny Jona ny anjaran’i Barea.

« Any Côte d’Ivoire no hanaovana ny CAN 2023. Ny 1 hatramin’ny 14 jona 2022 izao no andro voalohany ho an’ny fifanintsanana. Ny 19 hatramin’ny 27 septambra kosa ny andro faharoan’ny fifanintsanana. Mety hisy kosa anefa ny fiovana araka ny zava-hisy » hoy ny avy ao amin’ny Kaofederasiona Afrikanina mikasika ny Baolina kitra (CAF). « Mizara ao anaty vondrona ny ekipa rehetra. Izay roa voalohanay ao anatin’ny vondrona iray no handray anjara amin’ny dingana famaranana. Tsy mitovy ny tamin’ny CAN 2021 izany » hoy ny Kaofederasiona Malagasy misahana ny baolina kitra.

« Izao dia efa tokony hiomana tsara ny mpilalao Malagasy sy ny mpanazatra, hialàna tamin’ilay farany teo hoe herinandro mialoha vao taitra hany ka resy lava. Tokony efa eto an-toerana avokoa ny mpilalao rehetra amin’izao » hoy i Navalona, mpankafy baolina kitra.

Nitondra hafaliana sy fanantenana ho antsika tokoa ny fandraisan’ny Barea anjara tami’nny CAN 2019. Irariana mba ho tratrantsika amin’izay ny tanjona ny ho lasa lavitra amin’ity CAN 2023 ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire