Ambohimangakely : Hanomboka amin’ny febroary ireo fiofanana maro ao amin’ny BTC
Efa mandeha ankehitriny ny fisoratana anarana ho an’ireo fiofanana marobe ao amin’ny BTC Ambohimangakely. Hanomboka ny volana febroary izao ny fampianarana.
« Maro be ny fiofanana atolotray manomboka ny volana febroary iny. Misy sokajy maro toy ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena, ny fiofanana arak’asa, ny fiofanana haitarika » hoy i Hasina, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Te hitrandraka ny talentako aho. Tiako mandray penina manao sary. Te hanitatra izany fahaizako kely izany aho. Misy fiofanana manao hosodoko ato amin’ny BTC. Liana tanteraka aho ary hianatra izany » hoy i Hillary, tanora mpianatra eny amin’ny lycée. « Tena manampy betsaka ny tanora ny BTC. Manosika araka izay vitany izy ho an’ny fampandrosoana. Mahazo tombony kokoa izahay eto Ambohimangakely noho izy akaiky eto » hoy i Linda, mponina ao Ambohimangakely.
Miainga amin’ny kely hay tokoa ny talenta sy ny asa any aoriana. Zava-poana anefa izany raha tsy trandrahana sy hitarina. Manampy betsaka ny tanora hahalala ny tena maha izy azy ny tanora ny BTC.
Nicole Rafalimananjara
