SocialTsidika

Androhibe Antsahadinta : Madiva ho vita ny Lycée

Miteraka fahasahiranana ho an’ny mponina ao Androhibe Antsahadinta ao Atsimondrano ny tsy fisian’ny liseam-panjakana. Voatery mandeha lavitra ny mpianatra raha te hanovo fahalalana mihoatra. Ho vita tsy ho ela intsony ny lisea any an-toerana.

« Fotodrafitr’asa vaovao ity. Manala fahasahiranana ireo ray aman-dreny. Tsy voatery mandeha lavitra intsony ny zanany amin’ny fianarany » hoy vny Governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. « Tena manahirana tokoa ny mampiana-janaka aty. Lafo tsy takatray ny saran’ny sekoly tsy miankina. Handefa ny zanaka hianatra lavitra anefa mbola be ihany koa ny vola lany. Isaorana ny tompon’andraiki-panjakana tamin’ny fanolorana lsiea ho anay » hoy i Lova, renim-pianakaviana monina any Androhibe Antsahadinta.

« Ho afa-pahasahiranana tokoa ny mponina aty an-toerana amin’ny fanabeazana. Toerana lavitra tokoa ny misy anay saingy tsy adino amin’ny fampandrosoana. Antenaina fa hihena ny tahan’ny mpianatra miala an-daharana » hoy i Christian, mpahay fiaraha-monina monina manodidina an’Androhibe.

Sekolim-panjakana maro tokoa no ho vitaina manerana ny nosy. Ao ireo efa ho vita toy ity any Androhibe ity ; ao kosa ireo vao kinasa. Miparitaka hatrany amin’ny toerana ambanivohitra ity tetik’asa ho an’ny fanabeazana ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire