Antsohihy : Tanora mpandraharaha mitarika ny tanora namany amin’ny fanamboaran-dalana
Nasiana lalan-drano ary ho rarahina vatokely ny lalana ao Ambalafary Antsohihy. Tanora 50 nno nifanampy tamin’ny fanaovana ny lalan-drano ary nosandaina vola izy ireo.
« Mahafinaritra ny hetsika tahaka izao. Sady mampandroso ny tanàna no manome asa ireo tanora » hoy i Veronique, mponina ao Antsohihy. « Tanora zanak’Antsohihy no nanao izao tetik’asa izao. Toraka voninkazo ho azy noho izay finiavana sy fitiavana ny tanàna niaviany izany. Miainga amin’ny tanora tokoa ny fampandrosoana » hoy ny solontenam-panjakana any Antsohihy. « Tiako ny hanao tara ity lalana ity. Mila mifanampy isika fa vitantsika io. Natao aloha izao lalan-drano izao tsy hisian’ny rano nmiandrona eny amin’ny lalana » hoy i Farouck, nitarika ny fanamboaran-dalana sady tanora mpandraharaha no zanak’Antsohihy.
Mitohy ny fanamboaran-dalana 250m aveo amin’ny Epp Ambalabe mankany Ambalafary. Mahavelom-bolo ny ezaka ataon’ny tanora tahaka izao. Ny tanora tokoa no tena andrandraina eto amin’ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
