Volavolan-dàlana mifehy ny Tetibolam-panjakana 2022
08 Desambra, 09h00. Lany nasiam-panitsiana tao amin’ny Antenimeran-doholona ny talata 07 desambra teo ny volavolan-dàlana mifehy ny Tetibolam-panjakana 2022. Vola nisoratra tao amin’ny sora-bola « transfert » tao amin’ny Minisiteran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola no nafindra any amin’ny « opération d’ordre » ka nitarika fanitsiana maro be. Miverina eny amin’ny Antenimieram-pirenena arak’izany ny fandinihina io volavolan-dàlana io.
