ActualitésTsidika

Fifamoivozana : Velontaraina ireo mpitaingina fiara fitateram-bahoaka

Tao aorian’ny fitarainan’ny renim-pianakaviana iray noho ny fanarian’ny fiara fitateram-bahoaka 172 ny zanany teo Tanjombato tamin’ny andro alina, raha tokony hody tany Andoharanofotsy, ka voaendaka, dia nifanesisesy ireo fitarainana. Niseho teo amin’ny lafiny rehetra izany na, ara-pitaovana, na teo amin’ny fandraisana na teo amin’ny vola.

« Maro be ireo mpandray saran-dàlana tsy mamerim-bola, sady izy indray no avo vava » hoy i Setra, mitaingina ny zotra 137. « Misy mitaky saran-dàlana ihany kosa ny fitaterana, manao tapa-dàlana dia maka 500 ariary, avy eo nefa tonga hatrany amin’ny farany ihany fa mamerina mitaky frais » hoy i Harisoa, mpitaingina ny zotra 119. « Efa misy fetsy ratsy ireo fitaterana ireo ary mahasahy manao kolikoly amin’ity vola anaty “papier” ity mihitsy » hoy kosa ny polisy iray misahana ny fifamoivoizana eo amin’ny Mascotte.

Aiza ho aiza kosa ny fandraisana andraikitry ny ATT manoloana ireo tranga ireo ?

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire