Madagasikara-Egypte : Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta
Nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry sy ny Filoha Egyptianina Abdel Fattah Al-Sissi. Nohamafisina nandritra izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta sy ny fifampizarana traikefa ary ny fahaiza-manao.
« Vonona ny hiara-hiasa amin’i Madagasikara amin’ny lafiny nomerika i Egypte ary hanampy amin’ny fiarovana ny sisin-tany ihany koa » hoy i Abdel Fattah Al-Sissi, nandritra ny fihaonana. Tetsy an-kilany, nanamafy ny fahavononany hanohy ny fiaraha -miasa amin’i Egypte ihany koa i Rajoelina Andry, « mitohy hatrany ny fiaraha-miasa sy fanohanan’i Egypte an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny tetikasa fanamboarana ny lalana migodana mirefy 250km mampitohy an’Antananarivo sy ny seranan-tsambo lehiben’i Toamasina » hoy izy. « Tsy maintsy miankina amin’ny any ivelany foana izany ny fampandrosoana eto amintsika ? Tsy afaky ny hanome toky amin’ny alalan’ny tenany sy ny fahaizany mihitsy ny filoha eto amintsika » hoy i Lova, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.
Efa betsaka ireo mpiara-miasa tamin’i Madagasikara, saingy tsy tokony hiankin-doha amin’ny any ivelany mihitsy isika raha ten ate handroso. Hafa mihitsy izany miainga amin’ny tena izany fa tsy miandry ny hafa foana na amin’ny sehatra anatiny io na iraisam-pirenena.
Nicole Rafalimananjara
