ActualitésTatitra

Corée du Sud : Namoy ny ainy i Chun Doo-hwan

Namoy ny ainy teo amin’ny faha 90 taonany ny talata teo i Chun Doo-hwan, mpitondra an’i Corée teo aloha. Tao Séoul izy no maty raha ny fanazavan’ny masoivohon’ny tambatserasera sud-coréen Yonhap.Nalaza tamin’ny fanaovana didy jadona i Chun Doo-hwan, nitondra ny firenena tamin’ny fomba entitra izy ary nampangiana ireo mpanohitra politika rehetra. Nametahan’ny mponina ny solon’anarana hoe « Boucher de Gwangju » ihany ko aizy noho izy nibaiko ny miaramilany namono tamin’ny fomba feno herisetra ny mpanohitra azy tao amin’io toerana io.Nitondra nanomboka ny taona 1980 hatramin’ny 1988 ny tenany ary izy no filoha sud-coréen namindra fahefana voalohany tamin’ny fomba « pacifique ». Anisan’ireo olona be mpankahala indrindra ao amin’ny firenena ny tenany.

Laisser un commentaire