Mitokona noho ny tsy fisian’ny rano mpianatra monina eny amin’ny cite ambatomaro
25 Novambra, 09h58. Nidina an-dalambe nanatantetaka fitokonana ny mpianatra mipetraka eny amin’ny Cité Ambatomaro omaly tamin’ny 4 ora hariva teo noho ny tsy fisian-drano. Nandoro kodiarana ary nanakan-dàlana izy ireo nandritra izany ka niterahaka fahatapahan’ny fifamoivoizana teny an-toerana. Marihina fa iray volana mahery no tapaka ny rano teny amin’ny Cité.
