Alasora : Efa andro vitsivitsy izay no tapaka tanteraka ny rano
Velon-taraina ny mponina ao Alasora noho ny fahatapahan’ny rano efa ho andro vitsivitsy izao. Betsaka ny mantsy ny mponina any an-toerana no mampiasa ny rano any amin’ny Jirama, ka raha tapaka izany dia sarotra ho azy ny mahita rano toy ny anaty vovo sy ny loharano.
« Efa ho roa andro izoa no tsy nisy na rano mitete aza taty aminay ka manao antso avo amin’izay tena tompon’andraikitra izahay fa tena mijaly » hoy i Veronirina, mponina ao Alasora. « Ny aty aminay aza efa ho iray volana izao sady tsy misy ny vahaolana sy ny fialantsiny fa dia miandry ny rariny eto ny vahoaka, tsy hay hoe rahoviana ihany isika vao hisitraka izany rano fisotro madio izany » hoy i Vahatriniony, mponina manodidina an’Alasora. « Tsy ny any Alasora irery ihany fa ny aty Ambohimanambola sy Masindray tena maina tanteraka na ny tany aza, ny any atsimo no tsy hitako sady ritra ny renirano no ritra ny tanimbary » hoy i Alfred, mponina eny Ambohimanambola.
Saika ny eto Avaradrano rehetra no mijaly amin’ny resaka rano na dia ny ho sotroina aza. Mijaly ny mponina ka mila mandray andraikitra haingana ny tompon’andraikitra.
Nicole Rafalimananjara
